FIHAONANA TEO AMIN’NY MEDD SY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA

Tontosa androany 31 mey 2023 tao Tsimbazaza ny fihaonana teo amin’ireo Solombavambahoaka sy ny Ministerahn’ny Tontolo iainana sy

🌱Tontosa androany 31 mey 2023 tao Tsimbazaza ny fihaonana teo amin’ireo Solombavambahoaka sy ny Ministerahn’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, notarihan-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa. Fotoana nanaovan-dRamatoa Minisitra tatitra ny zavabitan’ny MEDD nanomboka ny taona 2019 h@ volana Mey 2023 amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-10 : “Fitantanana maharitra ny harena voajanahary”.
🌿Lohahevitra miisa 7 no nisongadina tamin’izany :
➡️Fitantanana sy ny fandrakofana ala
➡️Paikady entina nisorohana ny tsy fahampiana’ny olona amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary;
➡️Ady amin’ny fiovan’ny toetrandro
➡️Fampiroboroboana ny fandrosoana lovainjafy
➡️Ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary
➡️Fampahafantarana – Fanabeazana – Serasera sy fifandraisana
➡️Toro hay ara-tontolo iainana
🌱Isan’ny nivoitra tamin’izany ny nametrahana “pépinières géantes” miisa 5 tamin’ny faritra miisa 5 ny taona 2022-2023 izay mamokatra zanakazo 1 tapitrisa isanisany avy ary ny 17 ambiny dia hapetraka mialohan’ny taom-pambolen-kazo manaraka. 98,58% ny tanjona napetraka 75 000ha no tratra ny taona 2022. Nanomboka tamin’ny taona 2019 hatramin’ny taona 2023 dia nahitana fitomboana 42% ihany koa ny velaran-tanin’ireo faritra arovana, izay mandrakotra ny 16% ny velaran-tanin’i Madagasikara ka nahatratra 9 922 565 ha izany, raha 7.000.000 ha mahery izy talohan’ny taona 2019. Nohamafisana ihany koa ny ady amin’ny afo narahina fampitaovana ireo chef cantonnement moto miisa 20, combinaisons anti-feux, fanamiana ho an’ny komity miady amin’ny afo,…

Leave a Comment