Antoko Liaraike : miantso ny filoha ho kandidà i Kaleta

Notanterahina tany Am­boasary Atsimo, ny faran’ny herinandro teo, ny kongresy nasionalin’ny antoko Liaraike. Nohamafisin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo tamin’izany ny

Notanterahina tany Am­boasary Atsimo, ny faran’ny herinandro teo, ny kongresy nasionalin’ny antoko Liaraike. Nohamafisin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo tamin’izany ny tokony hirosoana amin’ny fifidianana sy hanaovana antso avo amin’ny filohan’ny Re­pob­li­ka. “Miangavy sy mangataka anao izahay mba hilatsaka hofidianana ho filoham-pirenena ka hanohy ny asa marobe efa natombokao”, hoy ny filoha nasionaly, i Soja Jean André na i Kaleta, nitatitra ny fanapahan-kevitry ny kongresy. Notsiahiviny fa anisan’ny mampiavaka ny filoha Rajoelina Andry ny ezaka vitany teo amin’ny fotodrafitrasa ka nahazoany ny mari-pankasitrahana momba izany aty Afrika. “Afaka hanavotra ny firenena ny filoha Ra­joelina”, hoy ihany ity mpanolotsaina manokana eo anivon’ny fiadidiana ny Re­poblika ity.

Mitsipaka ny Tetezamita

Etsy andaniny, itovizan’ny Liaraike amin’ireo antoko politika ny tsy fankasitrahana ny Tetezamita. Niantsoany ny mpanao politika hirotsaka hofidiana izany nefa kosa hahay resy amin’ny fifidianana. “Tsy mila korontana sy Tetezamita izahay”, hoy ihany izy. Nohelohin’izy ireo koa ny fandranitana adim-poko, amin’izao mialoha ny fifidianana izao.

Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izany tany an-toerana ary nahatonga solontena ny avy amin’ny antoko Maitso ha­sin’i Madagasikara, ny Hia­raka isika, ny Freedom, ny antoko Avana ary ireo ben’ny Tanàna, voafidy amin’ny Lia­raike.

Leave a Comment