
Ho an’i Madagasikara, ny tanjona ho tratrarina ao amin’ny CDN2 dia ny hampihenana ny famoahana entona mangeja hafanana ho 24% raha 14% izany teo aloha, ary hampiakatra ny fahafahana mitahiry karbonina ho 20% hatramin’ny taona 2030. Avy amin’ny ezaka izay ataon’ny firenena tsirairay hiady amin’ny fandotoana ny tontolo iainana no hahafahana manatratra ny tanjona napetraka, dia ny famerana ny tahan’ny fiakaran’ny maripanan’ny tany tsy hihoatra ny 1,5°C.