COP 27 : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY « SIDE EVENTS » NIADIANA HEVITRA AMIN’NY FANAMORANA NY FAHAZOANA FAMATSIAM-BOLA HO AN’NY FIOVAN’NY TOETRANDRO I MADAGASIKARA

Taorian’ny fandraisam-pitenenan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina manoloana ny fihaonana an-tampony andiany faha-27 amin’ny fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana

☘️Taorian’ny fandraisam-pitenenan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina manoloana ny fihaonana an-tampony andiany faha-27 amin’ny fifanarahana lasitry ny Firenena Mikambana mikasika ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro izay atao any Sharm El-Sheick dia mitohy ny fihaonana sy ny ady hevitra eo amin’ireo firenena rehetra tonga maro mandray anjara amin’ity COP27 ity.
 
🌱Nandray anjara tamin’ny fifanakalozana nokarakarain’ny OIF na Organisation Internationale de la Francophonie Ramatoa VINA Marie-Orléa anio 09 novambra, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny  » Side Events » mandritra ny COP 27. Ny lohahevitra noresahana tamin’izany dia ny « fanamorana ny fahazahoana famatsiam-bola amin’ny fiovan’ny toetrandro ho an’ireo firenena miteny frantsay na « accès facilité à la finance climat des pays francophones : Synergies et initiatives ».. Nandray anjara tamin’ity fifanakalozana ity ihany koa Ramatoa Chrysoula Zacharopoulou, Sekreteram-Panjakana miadidy ny Développement, de la Francophonie et des Partenariats internationaux auprès de la Ministre de l’Europe et des Affaires Etrangères, ny Minisitry ny Tontolo iainana avy ao Egypte, Repoblika Dominicaine, Mauritanie, Niger, Albanie, Repoblika Demokratikan’i Congo, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fandrosoana lovainjafy avy ao Andore, ny Masoivohon’i Canada sy ny Nosy Maorisy ao Egypte ary ny Filoha Lefitry ny Conseil national pour les changements climatiques avy any Repoblika Dominicaine.
 
👉Nampahafantarin-dRamatoa Minisitra nandritra ity fifanakalozan-kevitra ity ireo ezaka sy dingana efa vitan’i Madagasikara dia ny nahavitana ny PNA na Plan National d’Adaptation sy ny CDN2 na Contribution Déterminée Nationale izay mirakitra ireo drafitra sy tetikady entin’i Madagasikara miatrika sy miady amin’ny fiovan’ny toetrandro.

Leave a Comment