FANDROSOANA LOVAINJAFY – MAMPIANTRANO NY FIVORIANA HO FANITSIANA SY FANATSARANA NY PAIKADY HITANTANANA IREO ZAVABOAHARY AMIN’NY FARI-DRANOMASIN’I AFRIKA ATSINANANA I MADAGASIKARA

Paikady hahafahana miasa avy hatrany no andrasana amin’ny fivorian’ireo firenena eto amin’ny fari-dranomasin’i Afrika Atsinanana izay mikaon-doha eto

🟢Paikady hahafahana miasa avy hatrany no andrasana amin’ny fivorian’ireo firenena eto amin’ny fari-dranomasin’i Afrika Atsinanana izay mikaon-doha eto Madagasikara mandritra ny efatra andro, hoy ramatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, nandritra ny kabarim-panokafana nataony io maraina io teny Antaninarenina. Misy ireo andalana paikady efa voarafitr’ireo firenena voakasika rehetra izay tsy maintsy ahitsy sy atsaraina mifanaraka amin’ny tranga sy tsindry ara-tontolo iainana ankehitriny Ramatoa VINA Marie-Orléa.
🟢Amin’ny maha firenena isan’ireo nanasonia ny Fifanarahan’i Nairobi an’i Madagasikara, izay misehatra amin’io fiarovana ny zavaboahary an-dranomasina io , dia mandray anjara feno amin’ny fandrafetana ireo andinin-dalàna ireo isika. Mifanandrify tanteraka amin’ny fizotran’ny Fivoriambe an-tampony momba ny Tontolo Iainana faha 27 any Egipta ity fikaonan-doha ity ary mitaky asa hatrany.
🟢Lesoka ho an’ny fiarovana ny zavaboahary an-dranomasina nefa hoy Ramatoa Minisitra ny tsy fahampian’ireo torohay am-pelatanana momba izay miseho ny any ambany ranomasina. Voafetra ihany araka izany ny fahefàna sy fomba fiasa hampiharina.
Aorian’izao fivoriana dia handroso ireo paikady sy drafitrasa avy hatrany ireo solontenan’ny firenena mpandray anjara.
Ny Vondron’ny Firenena Mikambana misahana ny Tontolo Iainana #UN_Environment ,ny #Nairobi_convention sy ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny #MEDD ary ny #ACP_MEAS3 no mifarimbona amin’ny fahatanterahan’izao fikaonan-doha hamoahana paikady izao.

Leave a Comment