Nihaona tamin-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa i Ramatoa Isabelle Delattre Burger Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana

 Nihaona tamin-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa ny 27 aprily 2023 Ramatoa Isabelle Delattre Burger Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara.

✅️ Nihaona tamin-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa ny 27 aprily 2023 Ramatoa Isabelle Delattre Burger Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara. Naneho ny fahavononany ity Masoivoho ity hanohy sy hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.
 
✅️ Fandaharanasa sy tetikasa ara-tontolo iainana maro isan-karazany no iarahan’ny Ministera sy ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara ka isan’izany ny “AFAFI NORD”, “AFAFI SUD”, Fandaharanasa RINDRA, TALAKY BE, PAGE2/GIZ.

Leave a Comment