Politika Maitso

Ny #Politika #Maitso na ny Ekolojia Politika dia vina mpiarahamonina ny #Antoko #Maitso #Hasin’i #Madagasikara mikendry hametraka rafi-piarahamonina

Ny #Politika #Maitso na ny Ekolojia Politika dia vina mpiarahamonina ny #Antoko #Maitso #Hasin’i #Madagasikara mikendry hametraka rafi-piarahamonina mirindra, mampihavana ny olombelona amin’ny zavaboary, ary mifototra indrindra amin’ny fiarovana sy ny fanomezan-kasina ny Tany, ny Tontolo Iainana ary ny Rano izay miantoka ny fahaveloman’ny taranaka faramandimby.

🟢 Ny #TANY no fitaovam-pamokarana sy fiharian-karena voalohany eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona.
🟢 Ny famokarana sy fiharian-karena miaro sy manaja ny #TONTOLO #IAINANA no antoky ny fivoarana maharitra sy ny fandrosoana lovainjafy.
🟢 Fototry ny ain’olombelona sy loharano mpahasalamana ny #RANO izay hita sy tsapa fa tsy mitsahatra mihena ankehitriny.

➡️ Noho izany, atao masi-mandidy amin’ny fampiasana sy fitrandrahana ireo harena sarobidy ireo ny vahoaka Manankasy.

Leave a Comment