1) VAOMIERA “RAHARAHA ANATINY”
Fitazomana ny teny filamatry ny Antoko Maitso
TANY-RANO-TONTOLO IAINANA
<Ny fanovana ny Sary famantarana na Logo-n’ny Antoko.
< Ny fanovana ny Foibe na ny Siège n’ny Antoko
Mifindra ao amin’ny Près Lot VK 99 Fenomanana-Morarano ny foiben’ny Antoko.
<Ny Famaritana ny loharanom-bolan’ny Antoko :
Mandoa latsakemboka daholo ny mpikambana rehetra, ka noferana ho 3000 Ar isan-taona izany latsakemboka izany.
Ho fampiharana ny fitsinjaram-pahefana, izay mahasarotiny ny Antoko Maitso dia ny 80% ny latsakemboka mijanona eny ifotony ary ny 20% kosa dia miakatra aty amin’ny foibe ho fampandehanan-draharaha ny Antoko.
Raisina ho loharanom-bolan’ny Antoko ireo tolotra avy amin’ireo malala-tanana.
Mba hanamafisana ny fampandehanan-draharahara dia afaka manatanteraka hetsika fitadiavam-bola maro samihafa ny Antoko.
<Ny Fanendrena ireo Rafitra Mpitantana ny Antoko :
– Namafisina ny maha Filoha Nasionaly an’Andriamatoa
Alexandre GEORGET sady Filoha Mpanorina ny Antoko :
– Notendrena ho Sekretera Jeneraly vaovao Andriamatoa Laurent AMPILAHY
– Notendrena ny Mpikambana ao amin’ny Birao politika; ka ireto avy izy ireo :
FARITANY ANTANANARIVO
Rtoa RANAIVO RAFENOMANJATO Patricia
Rtoa ANDRIAMANDIMBISOA Tiana
Rtoa VINA Marie Orlea
Atoa RATOANDROMANANA Lucien
Atoa RANDRIAMANDRANTO Richard
Atoa RABENANDRASANA Lalao Francois
Atoa AMPILAHY Laurent
Atoa ANDRIANARIVELO René Olivier
Atoa ANDRIARILALA Mamy Nirina Erick François
FARITANY TOLIARY
Rtoa RAZAFIMAHATRATRA Nadette
Rtoa AKBAR HOUSSEN HERY SAKINA
Atoa ALSON Jean Claude
Atoa Tafita THERMOS
Atoa RAKOTOMALALA Ndriana
Atoa MASINDIA Tsitohiny Dit RELAHIKE
FARITANY MAHAJANGA
Atoa JAOHARIVONY Hilarion
Atoa Jean CRISSE
FARITANY FIANARANTSOA
Atoa Boniface Mara Emile
Atoa RANDRIANOSY Edwin
Atoa RAZAFINDRAKOTO Joseph
FARITANY ANTSIRANANA
Atoa LAMBO Marcellin
Atoa TAHINJANAHARY Aristide Ferröe
Atoa Mandiny RAYMOND
Atoa TANAMBELO Eziekiela dit Donné
FARITANY TOAMASINA
Atoa ZANAPARANY Romain
Atoa RANDRIAMBOLOLONA Michaella
< Fanoloana ny Rafitra Mpitantana ny Sampana « Tanora Maitso »
Notendrena ho Filoha Mpitarika :
Rtoa RANDRIAMBOLOLONA Michaella
Atoa ANDRIARILALA Mamy Nirina Erick François
– VAOMIERA « TOE-KARENA SY SOSIALY »
Toy ny firenena maro maneran-tany, nandalo fotoan-tsarotra koa i Madagasikara nanomboka ny faran’ny taona 2019 hatramin’ny faran’ny taona 2021 tany noho ny fisian’ny valan’aretina COVID 19, izay aretina vaovao mbola tsy fantatra firy nefa manana toetra hainga-pifindra, ka tra-doza noho izany ny Mpiray tanindrazana maro, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana.
Nikatso ny seha-pamokarana tamin’ny ankapobeny noho ny nametrahana ny fepetra entina misakana ny fiparitahan’ny valan’aretina : ny fihibohana izany !
Nanampy trotraka izany ny loza voajanahary toy ireo rivo-doza nifanesy nandalo teto amintsika izay nanimba fananana sy foto-drafitr’asa maro ary namoizana ain’olona maro ihany koa.
Teo anatrehan’ireo tranga ireo, tsapa ny fiatoan’ny fihariana izay nitarika fitotongan’ny toe-karena sy fitomboan’ny fahantrana teo amin’ny valala be mandry.
Ny fanafihan’i Russie an’i Ukraine tamin’ny faran’ny taona 2022 iny rahateo dia vao maika nanampy trotraka ny faharefoan’ny fahefa-mividin’ny vahoaka Malagasy noho ny fisondrotry ny vidin’entana nafarana avy any ivelany ; toy ny fanafody, simenitra, vary, akora maro samihafa, sns …..
Tsy nipetra-potsiny kosa nefa ny Fitondrana teo anoloan’izany tranga maro izay namotika ny sehatry ny famokarana sy nitarika fasahiranana goavana teo amin’ny lafiny sôsialy izany, fa nandray andraikitra hatrany mba hanatsarana ny toe-draharaha sy ny fari-piainan’ny Vahoaka Malagasy :
– Miarahaba tena isika fa anisan’ny Firenena nahafehy ny valan’aretina COVID 19, ka vitsy lavitra noho ny tany amin’ny Firenen-kafa ny olona lavon’ity areti-mandoza ity ;
– Maro ireo foto-drafitr’asa naorina teo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamana ary ny fanatanjahan-tena ; toy ny sekoly, ny hôpitaly ary ireo kianja manara-penitra ;
– Teo koa ireo fanampiana nomena ireo vahoaka marefo mba hanamaivana ny fahasahiranany, tamin’ny alàlan’ny tosika fameno, ny vatsy tsinjo, ny vary mora, ny tsena mora, sns …..
– Namporisika ny famokarana teo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana koa ny Fitondrana tamin’ny alàlan’ny fizarana kara-tany sy masom-boly: izany no natao dia mba hametrahana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ary mba hampihena ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana vary sy vokatra hafa avy any ivelany ;
– Miroso tsikelikely amin’ny fampitomboana ny rafi-pamokarana eo amin’ny sehatry ny indostria koa ny Fitondrana amin’ny alàlan’ilay tetikasa ODOF (One District One Factory).
Noho ireo rehetra voalaza ireo, mankahery ny Fitondrana ny Antoko Maitso ary mamporisika azy hanohy tsaratsara kokoa hatrany izany ezaka mahavelom-bolo izany.
– VAOMIERA « POLITIKA »
– Ny FIFIDIANANA irery ihany no fomba enti-manendry ny Mpitondra ho an’ny Firenena manaja ny fenitra demokratika;
– Tokony ho tanterahana ao anatin’ny fe-potoana voafaritry ny lalàna ny fifidianana Filoham-pirenena;
Noho izany, tsy mankasitraka velively ny mety hanaovana tetezamita ny Antoko Maitso;
– Mangataka ny mpanao politika mba hamela malalaka ireo Rafitra mpanomana fifidianana hanao ny asany ;
– Manasa ireo mpanao politika hiomana amin’ny fiatrehana ireo fifidianana hifanesy: manamafy ny fototra, manabe sy manentana ny vahoaka, manely ny fotokevitra, manomana kandidà, manara-maso ny antsipirihany amin’ny fanomanana izay ilaina amin’ny fifidianana, sns….
Ary izany dia hatao ao anatin’ny fanajàna ny lalàna sy ny fifanajàna ary ny fitandroana ny Fihavanana maha-malagasy hatrany
– Etsy andanin’izany, mahatsapa ny Zaikabe fa nahavita be izao Fitondrana izao, na teo aza ny fahasahiranana noho ny fisian’ny valan’aretina COVID 19, ny loza voajanahary samihafa ary ny ady any Ukraine:
< Maro ny foto-drafitr’asa natsangana manerana ny Nosy
< Voafehy ny vidin’ny solika, ny vidin’ny herin’aratra ary ny vidim-piainana ankapobeny na teo aza ny sondro-bidy maneran-tany;
< Nahazo tohana manokana ireo vahoaka tena marefo;
< Voaaro ny tontolo iainana sy ireo zava-manan’aina mila fiarovana manokana
< Voahaja ny Demokrasia eto Madagasikara ary voahaja ny zon’olombelona sy ny fahalalahana fototra;
< Mino ny Antoko Maitso fa hisy ny fandrosoana haingana sy maharitra raha mbola manana fotoana hanohizana ny asany izao Fitondrana izao;
< Koa miantso ny Filoha Andry Nirina Rajoelina mba hirotsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena indray ny Antoko Maitso;
< Ary dia manambara am-pahibemaso ny fanohanana azy tanteraka raha mbola hirotsaka izy amin’ity taom-pifidianana 2023 ity.
Natao teto Antananarivo, anio Alakamisy 27 jolay 2023
Ho an’ny Zaikaben’ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara:
NY FILOHA MPANORINA
NY BIRAO POLITIKA
“RAHA MBOLA MISY NY MAITSO, TSY HO FOANA TSY AKORY NY FANANTENANA »