Fanokafana ofisialy ny taom-pambolenkazo 2022-2023

Zanakazo miisa 120000 no niarahana namboly teto Ilaka Est, Vatomandry androany ho fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolenkazo

Zanakazo miisa 120000 no niarahana namboly teto Ilaka Est, Vatomandry androany ho fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolenkazo 2023. İzay mamboly hazo mamelona aina; izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara. Satria tsy fikajiana ny tontolo iainana fotsiny ihany no tsinjovintsika amin’izao fambolenkazo izao fa sady mitsinjo ny ho avin’ny firenena no mamaly ny filan’ny mponina ihany koa ireo karazan-kazo novolena izay nahitana ireo hazoala, ireo hazo haingam-paniry ary koa ireo hazo fampiasa toa ny kesika sy ny kininina ary ireo hazo fihinamboa.
 
Mazava ny tanjona dia ny fandrindrana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina. Handrakofana ala indray an’i Madagasikara mba hiverina ho Nosy maitso. Ho reharehantsika eo imason’izao tontolo izao ny hakantony. Ary manomboka eto no hampiasantsika ireo milina vaovao « drône semeur » izay mahavita mamafy vihin-kazo amina velaran-tany 1ha ao anatin’ny 15 minitra mba hamerenana ny ala amin’ireo toerana saro-dalana.

Leave a Comment