Nihaona tamin-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa ny 27 aprily 2023 Ramatoa Isabelle Delattre Burger Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara. Naneho ny fahavononany ity Masoivoho ity hanohy sy hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary eto Madagasikara ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.
Fandaharanasa sy tetikasa ara-tontolo iainana maro isan-karazany no iarahan’ny Ministera sy ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara ka isan’izany ny “AFAFI NORD”, “AFAFI SUD”, Fandaharanasa RINDRA, TALAKY BE, PAGE2/GIZ.