SIAP – Nanolotra soso-kevitra hivoahana amin’ny krizy ho an’ireo iraky ny Vondrona Afrikanina (UA) sy ny Firenena Mikambana (ONU) ny

Ao anatin’ny iraka iarahana ataon’izy ireo, dia nihaona tamin’ny SIAP (Sehatra Ifanakalozana Anatsarana ny fanaovana Politika) ireo solontena

Ao anatin’ny iraka iarahana ataon’izy ireo, dia nihaona tamin’ny SIAP (Sehatra Ifanakalozana Anatsarana ny fanaovana Politika) ireo solontena ambony avy amin’ny Vondrona Afrikanina (UA) sy ny Firenena Mikambana (ONU), ny talata 14 jolay 2026 teo.


Ny delegasiona notarihin’ny Masoivoho Mohamed Idriss Farah (UA) sy Andriamatoa Parfait Onanga-Anyanga (ONU) dia nifanakalo hevitra tamin’ny SIAP momba ireo vahaolana hivoahana amin’ny krizy politika misy amin’izao fotoana izao.


💡Ireo teboka lehibe naroson’ny SIAP dia mifantoka amin’ny fiantohana ny tsy fiandanian’ireo andrim-panjakana sy ny fikarohana ny marimaritra iraisan’ny rehetra amin’ny alalan’ny fampiraisana ireo hery velona rehetra mba hisian’ny fivoahana amin’ny krizy milamina sy tony.


🔆 Mazava ny tanjona : ny hisorohana ny disadisa rehetra mialoha na aorian’ny fifidianana, ary ny hiantohana ny fitoniana maharitra eto amin’ny firenena.
Nohamafisin’ireo mpandray anjara rehetra ny fahavononan’izy ireo hanohy ny dinika iaraha-manorina, ho tombontsoa ambony ny Firenena.

Leave a Comment