Ho fanamafisana ny fisian’ny antoko sy fampahafantarana ny vina entiny, nisy ny fihaonana teo amin’ireo mpikambana sy ny mpitarika ny Antoko Maitso, ny sabotsy 24 oktobra, tao amin’ny lapan’ny paroasy katolika eto Vangaindrano. Tonga nanatrika izany ny mpandrindra nasionaly sy ny mpandrindram-paritra.
Nandritra ny fihaonana no nanazavan’ireo tompon’andraikitra ny tanjon’ny antoko sy ny politika maintso ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nohamafisina manokana tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny famolavolana olom-pirenena vanona, mahafantatra ny andraikiny ary vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Tanjona amin’izao fihaonana izao ny hamelomana indray ny antoko eto an-toerana, amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny foto-kevitra sy ny vina entiny amin’ireo mpikambana. Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny Kongresy Nasionaly andiany faha-4 ihany koa izao fihaonana izao.





