
Ny fanatanterahana ireo soridalana fototra eto anivon’ny MEDD no niaraha-nidinika teto ka isan’ny nivoitra tamin’izany ny fametrahana fiaraha-masa mahakasika ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala, ny fanamafisana ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara amin’ny COP28 mahakasika ny fiovan’ny toetrandro, ny fifindra-monina vokatry ny fiovan’ny toetrandro, ny fanatanterahana ny vina Madagasikara rakotr’ala ary ny fanatsarana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fahalotoan’ny rivotra.