Tao amin’ny Distrikan’i Port-Bergé (Boriziny) no namaranan’ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ny fitsidihana ara-politika sy ny fifampiresahana mivantana tamin’ny vahoaka tany amin’iny faritra avaratra-andrefan’ny Nosy iny, mialoha ny nandalovany tao amin’ny Distrikan’i Maevatanana, renivohitry ny Faritra Betsiboka, ny sabotsy 21 novambra lasa teo.
Tamin’izany no nanamafisan’Andriamatoa PICOT Ranaivoson Stevene, Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko, fa asa masina ny fanaovana politika. Tsy atao entina hanangonan-karena izany, ary tsy orinasa akory ny antoko politika, fa sekoly fanabeazana olom-pirenena vanona sy vonona handray andraikitra : hanompo ny firenena, ny tanindrazana ary ny vahoaka, indrindra eo amin’ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana.
***Fiarahamonina mirindra sy Politika Maitso :
Nambara tamin’izany fa manana tsangan-kevitra mazava ny mpikambana rehetra sy ireo izay mbola vonona hanatevin-daharana ny mpiara-mikatroka Maitso. Mikendry ny hametraka fiarahamonina mirindra izany, mifototra indrindra amin’ny Politika Maitso na ny ekolojia politika, izay mampifandray ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fampivoarana maharitra eo amin’ny ara-toekarena sy ny ara-sosialy.
***Antso ho amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisim-pifidianana :
Nanararaotra izao fidinana ifotony izao ihany koa ny Antoko Maitso nanentanana ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, indrindra ireo tanora vao feno 18 taona, mba havitrika amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisim-pifidianana. Nohamafisina tamin’izany fa zo sy adidy izany, sady mariky ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena vanona.





