Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara Ambilobe

Taorian’ny fitsidihana ny Faritra SOFIA, dia tonga teto Ambilobe ihany koa ny hiraka avy amin’ny Birao Nasionalin’ny ANTOKO

Taorian’ny fitsidihana ny Faritra SOFIA,
dia tonga teto Ambilobe ihany koa ny hiraka avy amin’ny Birao Nasionalin’ny ANTOKO MAITSO HASIN’I MADAGASIKARA, Andriamatoa Ranaivoson Stevene PICOT, izay nihaona sy nitafa tamin’ireo mpikatroka ifotony, tato amin’ny ESPACE DIANA Laidama, ny Zoma faha 25 Septembre 2026.
 
Ny tanjona, dia ho amin’ny fameloma-maso ny rafitra ny Antoko MAITSO aty Ifotony.
Koa nisy ny famelabelarana momba ny fototra hijoroan’ny Antoko maitso sy ny vinam-pampandrosoana tiany apetraka eto amin’ny Firenena.
 
Notsahivina teto fa,tsy hoe nandry akory ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara tao ho ao, fa misy ny fotoana anginana ary misy koa ny fotoana hitenenana
Ankehitriny, dia tonga ny fotoana, ka mihetsika ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara amin’ny fameloma-maso ny rafitra anaty.
 
ENY,hatry ny taona 2009 nijoroan’ity Antoko ity, dia efa nandray anjara hatrany tamin’ireo karazam-pifidianana nisy teto Madagasikara ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, izay Antoko mijoro ara-dalàna no maniry ny mba hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara eken’ny be sy ny maro
 
Noho izany, dia nanentana ny Olom-pirenena anivon’ny Distrikan’i Ambilobe ity hiraka avy amin’ny Birao Nasionalin’ny ANTOKO MAITSO HASIN’I MADAGASIKARA ity, mba hazoto hisoratra anarana ao amin’ny Lisitry ny mpifidy dieny izao, fa ho avy ireo karazam-pifidianana eto amin’ny Firenena.
Dia nentina namaranana ny fotoana moa ny fiaraha-misakafo nofon-kena mitam-pihavanana.
 

Leave a Comment