Manamafy ny fijeriny eo amin’ny tontolon’ny politika Malagasy. Manoloana ny toe-java-misy atrehin’ny Firenena amin’izao fotoana izao, indrindra fa ireo disadisa ara-tsosialy sy ara-politika isan-karazany izay mitady hanimba ny firaisankinam-pirenena, ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, eo ambany fitarihan’i Alexandre GEORGET, dia manamafy hatrany ny fomba fijeriny fa ny fanajana ny lamina demokratika ihany no hahafahana miantoka ny filaminana, ny fandriampahalemana ary ny fitoniana ara-politika maharitra eto Madagasikara. Araka ny birao politika ny Antoko, ny fikarakarana faran’izay haingana ny fifidianana malalaka, madio ary eken’ny rehetra irery ihany no vahaolana mahomby amin’izao krizy izao. Noho izany, mandà izay hevitra rehetra momba ny Governemantan’ny marimaritra iraisana – na fiaraha-mitantana – sy ny mety ho fanitarana tsy voafetra an’ity fitondrana vonjimaika ity ny Antoko Maitso, satria resy lahatra fa ny fe-potoana efatra amby roapolo volana, izay tokony hifarana amin’ny faha 17 oktobra 2027, dia ampy tsara hiantohana ny fanaovana fifidianana ara-dalàna.
Manaja ny lamina araka ny Lalàm-panorenana. Ankoatra izany, ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara dia mitazona ihany koa ny fijeriny momba ny fanapahana laharana faha 10-HCC/D3 tamin’ny 14 oktobra 2025. Amin’ny Antoko Maitso, io fanapahana io dia mametraka ny firenena ho eo ambany fitantanan’ny « directoire militaire de facto, et non de droit « , satria ny fahefana feno afahana misahana ny andraikitry ny Filoham-panjakana dia tsy nomena ny manamboninahitra miaramila tranainy indrindra amin’ny laharam-boninahitra ambony indrindra. Na izany aza, amin’ny maha-antoko mpandala ny tany tan-dalàna ny Antoko Maitso, dia manaiky ny maha-ara-dalàna sy ny maha marim-pototra tsara ny antony nandraisana an’io fanapahana voalaza etsy ambony io. Araka izany, tsy tokony hisy antoko politika handray anjara amin’io governemanta mijoro io mba hiantohana ny tsy fiandaniana sy ny fahamarinan’ny fifidianana ho avy. Tsara kokoa ny mametraka governemanta misy teknisianina sivily sy miaramila fotsiny, ary voafetra ho valo ambin’ny folo raha be indrindra ny isan’ireo departemanta ministerialy, tsy misy fiheverana ny fizarana seza eo amin’ny Antenimieram-pirenena, mba hampiharana ny tena politikan’ny fitsitsiana ara-bola. Noho izany, hentitra ny hevitry ny Antoko Maitso. Izay rehetra mandray anjara amin’ity governemanta vonjimaika ity, izay nomena andraikitra handamina ny fifidianana, dia tsy tokony havela hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana manaraka.
Manolotra sosok’evitra ho fanavaozana ny andrim-panjakana. Ankoatr’ izay, ny Antoko Maitso dia manohana tanteraka ireo fitakiana ara-drariny nandritra ny hetsi-bahoaka notarihin’ireo vondron’ny tanora ary notohanan’ireo fiarahamonim-pirenena amin’ny fandravana ireo andrim-panjakana tsy mahomby eto amin’ny firenena, anisan’izany ny Antenimieram-pirenena, ny CENI ary ny HCC. Mba hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra, ny Antoko Maitso dia mampirisika mafy ny governemanta mba hanafaingana ny fananganana sy ny fampandehanana ny Filankevitra ara-Toekarena, ara-Tsosialy sy ara-Kolontsaina, izay voafaritra ao amin’ny andininy faha-105 ao amin’ny Lalàm-panorenana. Manantitrantitra anefa ny Antoko Maitso fa ny fampiharana ireo fanavaozana ireo dia tsy azo tanterahina raha tsy amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra misokatra, andraisan’ny rehetra anjara ary voarafitra tsara eo amin’ireo hery velona rehetra eto amin’ny Firenena, izay dingana voalohany hahatongavana amin’ny fifanarahana ara-dalàna, eken’ny rehetra, ary eken’ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena. Amin’ny Antoko Maitso dia ilaina noho izany ny hanafainganana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, eo ambany fiahian’ny FFKM, izay hany lalana tokana hivoahana amin’ity krizy ara-drafitra sy maro lafy ity. Farany, ny Antoko Maitso dia efa manana tolo-kevitra mazava sy azo tanterahina tsara ho an’ny fanorenana ifotony ny demokrasia sy ho an’ny fanarenana indray ny Repoblikan’i Madagasikara izay ho ampahafantarina ny daholobe tsy ho ela amin’ny fotoana maha mety azy.
Ny Birao politika
Une position ferme dans le paysage politique malgache. Face à la situation exceptionnelle que traverse actuellement la Nation, marquée notamment par diverses tensions socio-politiques qui mettent en danger l’unité nationale, le Parti Vert Hasin’i Madagasikara, sous la direction d’Alexandre GEORGET, réaffirme sa position en faveur de l’affermissement de l’ordre démocratique afin de préserver la sécurité, une paix durable et la stabilité politique à Madagascar. Selon son bureau politique, la crise actuelle ne peut être résolue que par l’organisation rapide d’élections libres, inclusives, transparentes et largement acceptées. Le Parti Vert rejette toute idée de Gouvernement de consensus – ou d’union nationale – et de prolongation indéfinie de ce régime intérimaire, estimant que la période de vingt-quatre mois, qui devrait prendre fin le 17 octobre 2027, est largement suffisante pour garantir la tenue de scrutins légitimes.
Respect de l’ordre constitutionnel. Par ailleurs, le Parti Vert Hasin’i Madagasikara maintient également sa position concernant la décision n° 10-HCC/D3 du 14 octobre 2025. Pour le Parti Vert, cette décision place l’administration du pays sous « un directoire militaire de facto, et non de droit », étant donné que les pleins pouvoirs, pour exercer les fonctions de Chef de l’État, n’ont pas été conférés à l’officier militaire le plus ancien dans le grade le plus élevé. Dans tous les cas, en tant que Parti légaliste, nous estimons que cette décision est bien motivée et bien fondée, et qu’elle a été prise dans le respect des dispositions constitutionnelles. À cet égard, aucun parti politique ne devrait figurer au sein de ce gouvernement afin de garantir la neutralité, l’impartialité et l’intégrité des prochaines élections. Dans cette logique, il conviendrait de mettre en place un gouvernement de technocrates et militaro-civil, limité à dix-huit portefeuilles ministériels au maximum, et ne plus tenir compte de la répartition des sièges au niveau de l’Assemblée nationale, pour appliquer une véritable politique d’austérité budgétaire. La position du Parti Vert est ferme. Toute personne participant à ce gouvernement intérimaire, chargé d’organiser les élections ne devrait être autorisée à se présenter à la prochaine échéance électorale.
Réforme institutionnelle. En outre, le Parti Vert s’associe pleinement aux revendications légitimes formulées lors du mouvement populaire mené par les groupes de jeunes et soutenu par la société civile en faveur de la dissolution des institutions étatiques inefficaces du pays, notamment l’Assemblée nationale, la CENI et la HCC. Afin de renforcer la participation citoyenne au processus décisionnel, le Parti Vert exhorte vivement le gouvernement à accélérer la mise en place et l’opérationnalisation du Conseil économique, social et culturel (CESC) défini à l’article 105 de la Constitution. Le Parti Vert souligne toutefois que la mise en oeuvre de ces réformes ne peut se faire que par le biais d’un dialogue participatif, inclusif et structuré, entre les forces vives de la Nation, qui constitue une étape préalable permettant d’aboutir à un accord légitime, accepté par tous, et reconnu par la communauté internationale. D’où la nécessité impérieuse d’accélérer la tenue de la Concertation nationale inclusive et souveraine, sous l’égide du FFKM, qui constitue la seule voie pour sortir de cette crise structurelle et multidimensionnelle. Enfin, le Parti Vert dispose déjà des propositions claires, réalistes et réalisables, pour la renaissance démocratique et le renouveau de la République de Madagascar, qui seront prochainement portées à la connaissance du public au moment opportun.
Le Bureau politique

