FANKALAZANA NY FAHA 25 TAONAN’NY GLOBAL GREEN

Hankalazaina mandritra ny 2 andro ny 16-17 avril 2026 ny tsingerintaona faha 25 ny Global Green na ny

Hankalazaina mandritra ny 2 andro ny 16-17 avril 2026 ny tsingerintaona faha 25 ny Global Green na ny Maitso maneran-tany, amin’ny endrika hetsika an-tserasera. Ireo andro ireo dia hampivondronana an-tserasera ireo mpikambana Maitso sy mpiara-miombon’antoka ary namana avy @ tambajotra maneran-tany, mba handinihina ny tantarantsika iombonana, hankalazana ny zava-bita ary hijerena ny ho avin’ny hetsika Maitso iraisam-pirenena.
 
Amin’ity faha 16 avril 2026 ity dia hisy ny ady hevitra an-tserasera mikasika ny faha 25 taonan’ny politika maitso maneranan-tany izay handraisan’ny solontenan’ireo firenena maro ao anatin’ny kaontinanta Asiatika sy Afrikana anjara.
 
Raha tsiahivina dia any Asie, rehefa nisy ny maitso dia lasa mpiara miombonantoka maharitra ao @ fitondrana any Nouvelle Zelande ary nahazo toerana manandanja ao @ parlemantera any Australie sady manetsika ny herin’ny vahoaka koa any Korea, Taiwan ary @ firenena hafa.Aty Afrika kosa dia ireo mpitarika toan’i Dr Frank Habineza dia nandrakitra tantara satria isan’ireo solombavambahoaka maitso voalohany teo @ kaontinanta, toy izany koa i Madagasikara, izay manana solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara no sady filohan’ny Kaomisionina misahana ny Tontolo iainana eo anivon’izany andrim-panjakana izany.
 
« Raha mbola misy ny Maitso, tsy ho foana ny Fanantenana »

Leave a Comment