Manome lanja hatrany ny sehatry tontolo iainana ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ary indrindra ny Fiarovana ny Tontolo iainana no foto-kevitra ijoroany: Aina- Tany- Rano- Tontolo iainana
Ho Fanamafisana izany foto-kevi-dehibe ijoroany izany indrindra no nandraisan’ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara anjara tamin’ilay Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, izay notanterahina ny 4 mars 2026, tetsy amin’ny CCI Ivato.



