Mitohy foana ny asa fanadiovana ireo tatatra. Nifarimbona indray tamin’ny alin’ny 16 janoary hifoha 17 janoary ny avy amin’ny BNGRC, APIPA, DGRC(CUA) nanadio ny teny Besarety. Nidina nijery ny fivoaran’ny asa ny PDS Alexandre Georget. Hitohy io asa io ary haharitra eo amin’ny 8 andro eo. Araho foana ny pejy ahitanao ny fivoaran’izany. Iarivo madio, iarivo mandroso.

