Nizara kilalao, vatomamy,chocolat, biscuit ho an’ireo ankizy mpatory an-dalana miisa 400 ny Filohan’ny Delegasiona Manokana an’Antananarivo Renivohitra Andriamatoa Alexandre Georget sy ireo mpiara miasa aminy ny alin’ny alatsinainy 23 desambra 2024.
Amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely izao dia toerana maro no nanatanterahana izany fizarana izany :Petite vitesse, Tsaralalana, Anosy, tunnel Ambohidahy , Antaninarenina.
Nambaran’ny PDS fa ny andron’ny noely dia andron’ny fifankatiavana ary ho an’ny CUA, mitovy daholo ny zaza Malagasy rehetra, tsy nisy niangarana fa nahazo ny anjarany avokoa ny ankizy, mba hafalifaly azy ireo.
Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Filohan’ny delegasiona Manokana an’Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miasa aminy rehetra dia mirary soa amin’ny mponin’Antananarivo Renivohitra, mba ho noely sambatra ahitana fanantenana.
___
Dans la nuit du lundi 23 décembre 2024, le PDS Alexandre Georget, et ses collaborateurs ont organisé une distribution de Noël pour les enfants sans abri. Pas moins de 400 enfants ont ainsi reçu des jouets, des bonbons, des chocolats et des biscuits.
Cette initiative s’est déroulée dans plusieurs quartiers d’Antananarivo, notamment Petite Vitesse, Tsaralalana, Anosy, le tunnel d’Ambohidahy et Antaninarenina. Le PDS a rappelé que Noël est avant tout une fête de solidarité et d’amour. Il a souligné que pour la CUA, tous les enfants malgaches sont égaux et méritent d’être comblés, sans distinction. Aucune discrimination n’a eu lieu et tous les enfants présents ont reçu leur part, dans le but de leur offrir un moment de bonheur.
La CUA, le PDS et ses collaborateurs adressent leurs vœux de Noël aux habitants de la Ville, en espérant un Noël rempli de joie et porteur de nouvelles perspectives pour l’avenir.

