Hilatsaka ho mpikambana
Hasin'i Madagasikara

Hasin'i Madagasikara

Zon'ny MALAGASY rehetra ny ho sambatra amin'ny TANINY.

Tany

Tany

Ny Malagasy dia nomen'ny lalàna velona hanana tany maimaimpoana. (Loi N° 60-004 du 15 02 1960)

Rano

Rano

Ny rano eto Madagasikara hijanona ho an'i Madagasikara. Rano fisotro madio hoan'ny rehetra.

Tontolo iainana maitso mavana

Tontolo iainana maitso mavana

Rivotra, tany, rano sy ranomasina madio.Mahatamana sy mahasalama

Vaovao eto an-toerana

Dinika politika teny Ivato 1 jona 2011 ny fifidianana Filoham-pirenena
12/08/2010

Hatao alohan’ny fifidianana Filoham-pirenena ny an’ny depiote. Izay no anisan’ny tapaka nandritra ny andro faharoan’ny Dinika politika teny Ivato, omaly. Na nifandirana aza, 13 avrily 2011 ny fifidi [ ... ]


Vakio koa

Feon-gazety

Cnosc “Hiaraha-manomana ny dinika manaraka”
30/08/2010

Hiara-kanomana ny fihaonana manaraka ny Udr, ny Escoppol, ny hery politika hafa, ireo ankolafy telo izay tsy nametraka fepetra mialoha, ary samy nanome toky fa hanohy ny dinika hamahana ny krizy. Iz [ ... ]


Vakio koa

Vaovao eran-tany

Parlemantera eropeana « Alde » - Mamorona sy mamafy lainga
12/02/2010

Manoloana ny krizy miseho eto Madagasikara amin ’ izao fotoana izao, dia miditra an -tsehatra manao izay hampandamoaka ny Fitondrana tarihin - dRajoelina sy ny firosoana amin ’ ny fifidianana ny Vondr [ ... ]


Vakio koa

Hanome fanampiana

Manorata @ adiresy mailaka:
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
na hantsoy ny laharana :
    (261) 34 02 206 65

Hetsika

Tournoi Vert - Foot à 7 - Firaisana I
13/07/2010

Manasa antsika ekipa na club isam-pokontany eto amin’ny Firaisana I handray anjara amin’ny Tournoi de Foot à 7, karakarain’ny Maitso. Hanomboka ny 31 Jolay 2010 ho avy izao, hoan’ny « catégories » r [ ... ]


Hetsika rehetra

Horonam-peo

Hira fanevan'ny antoko Maitso Hasin'i Madagasikara.

Hymne Tonon-kira faneva.

Horonan-tsary

Source: L’Association des femmes paysannes de Corée et l’accord foncier entre Daewoo et Madagascar (Video de GRAIN)

Hitanao koa @

fandraisana
Malaelo ny tsy fahatongavan’i Madagasikara tany Bamako ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara
21-06-2010

Malaelo ny tsy fanatrehan’ireo mpanapaka lehibe eto madagasikara izay nasaina tany Bamako nandritra ny « 16ème reconstitution de fonds »n’ny IDA ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara. Izany dia niarahan’ny mpamatsy vola sy mpitarika firenena 79 ka anisan’ny firenena mahantra indrindra aran-tany ny 93 amin’izany.

Fantatra fa ny fanatrehana izany miampy ny fanehoana izay ilaina no dingana voalohany ahazoana vola. Ary satria I Madagasikara dia efa anisan’ireo firenena 39 mahantra isy be trosa indrindra eran-tany, dia tsy maninona raha tsy manatrika izany fivoriana izany. Ny tsara ho fantatra dia sady irika iray afahana miditra ho isana vondrona (ECOWAS, SADC, COMESA, COI,) no fomba afahan’ny mpamatsy vola lehibe mihaino ny fangatahana ireny fihaonana sy dinika lehibe ireny. Ankehitriny izahay dia manontany hoe nahoana I Madagasikara no tsy nanatrika izany? Mba hisian’ny fangaraharana dia mangataka fanazavana avy amin’ny fitondrana mikasika io tsy fanatrehana io ny Antoko Maitso Hasin’I Madagasikara.

Ny Antoko Maitso Hasin’I Madagasikara dia mankasitraka ny Panos Institute of South Africa izay namoaka ny valin’ny fikarohan’ny PANA (Plan d’Action nationale d’adaptation au changement climatique et de sa mise en oeuvre à Madagascar). Ny tanjon’ny PANA dia ny mba hahazoan’ny firenena vola mba afahan’ny vondrona marefo mahazo laka kokoa ka afahany miatrika ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toerandro. Anisan’ny firenena marefo indrindra i Madagasikara raha eo amin’ny fiovan’ny toerandro. Zava-doza ho an’ireo vondrona ireo ny fiovan’ny toetrandro.

Miha-matetika sy mahery vaika hatrany loza ateraky ny hain-tany, ny tondradrano, ny rivo-doza, …satria voahilika ireo vondrona marefo ireo eo amin’ny lafiny ekonomika, sosialy, fahasalamana, … Amin’ny fambolena vary ohatra dia manimba ny famokaran’ny tantsaha sy ny fiarian’izy ireo ny tondradrano na ny hain-tany.

Mahatsikaritra ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara fa tsy ampy ny fandraisan’anjaran’ireo tena mpanapaka amin’ny famolavolana sy fampiharana ny PANA. Manoloana ny fahantrana maharitra mianjady amin’ny mponina izay tambanivohitra ny ankamaroana , ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara dia vonona ny hifanome tànana amin’ny fiarovana ny vondron’olona iantefan’ny PANA eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisampirenena mba hahazoan’izy ireo tombotsoa aterak’izany

Ny Filoha Nasionaly sy ny Birao Politika

 


Valiny 6 - 6 amin'ny 6

Ny antoko maitso eran-tany

le parti vert dans le monde Ny antoko maitso eran-tany (Lahatsoratra wikipedia)




Madagasikara

français Ny mombamomban'i Madagasikara, mponina,zava-boary,..




Hisoratra @ newletter