ny vaovao
Feon-gazety
« Teny ifampierana » - Ivato: Nahomby… raha ny isan’ny mpizaika | « Teny ifampierana » - Ivato: Nahomby… raha ny isan’ny mpizaika |
|
|
|
| 05-03-2010 | |
|
Nanomboka omaly araka ny teny nifanomezana ny atrikasam-pirenena natao hitadiavam-bahaolana amin’ny krizy nomanin’ny fitondrana tetezamita. Mampanahy be ihany anefa ny fehin-kevitra hivoaka satria ahiana ho sarintsarin’adihevitra no hiseho.
Omaly vao maraina dia nanakoako manerana ny tanànan’Ambohibao, hatreny Ivato ny kiririoka sy ny fanairana avy amin’ireo fiara raitra nialoha lalana ny mpitondra, nihazo ny toerana nanaovana ilay Atrikasam-pirenena «Teny ifampierana». Nitandahatra ireo fiara raitra nitatitra ny mpizaika ka niteraka fitohanana. Vao tonga teny amin’ny toeram-pivoriana indray, nanodoka ny fahitana ireo olona marobe nanatrika izany. Nahitana ny sokajin’olona rehetra, nirantiranty ny anaran’antoko sy fikambanana tsy mbola fantatra. Raha ny isan’ny olona aloha dia azo lazaina fa nahomby ilay atrikasa. Ny fehin-kevitra hivoaka no handrasana. Tena ho vokatry ny marimaritra iraisana sy ny fanehoan-kevitry ny mpivory tokoa ve sa … Vao niditra teny am-baravarana mantsy, nizarana tahirin-kevitra, mirakitra ireo karazana volavolan-dalàna efa vita omana mialoha avokoa ireo mpizaika rehetra. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana, Hajo Andrianainarivelo dia manovana na manamafy izany no tena ilana ny mpanatrika. Ny olona nasaina rehetra, iaraha-mahalala fa mpanohana tsy misy fepetra ny fitondrana tetezamita avokoa ny ankamaroany. Mety ho mpanangan-tanana fotsiny toy ny nahazatra hatrizay ry zareo. Ny avy amin’ny ankolafy telo efa nilaza ny tsy hanatrika sy handefa solontena. Niharihary ny fahabangan’ny sezan’ny antoko Tim… FaneriterenaAnkoatra ny olona notaterin’ny lehiben’ny Faritra sy ny solontenam-panjakana avy any ivelan’Antananarivo, nisy amin’izy ireo no mpiasam-panjakana noterena tsy maintsy hankeny Ivato. Nisy ireo sendra ny mpanao gazety teny Vasakaosy, nandray fiara taxi-be ary nilaza fa tsy maintsy manatrika ilay atrikasa, araka ny teny midina. Tsy nilaza izay minisitera iasany kosa izy ireo. Ny minisitra tompon’andraikitra ve no nanome baiko ? Raha izany tokoa, mifanohitra tanteraka amin’ny politikam-panovana nodradradradraina teny am-pitolomana izany ? Sa ireo mpila ranondranony no nanao izany mba hanamaro isa ny mpanangan-tanana rehefa tong any fotoana liana izany? Maromaro ihany koa ireo ambasadaoro malagasy miasa any ivelany no niatrika izany. Anisan’izany, Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Michel, miasa any Lybia. Rajemison Rakotomaharo, ambasadaoro any Soisa. Rinah Rakotomanga, mpanolotsaina any Parisy… Nandrasana fa tsy tonga kosa ireo avy amin’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, voalaza fa nasaina manokana hanara-maso. Loharano: Gazety Taratra ny 05 Martsa 2010, nosoratan'i r.r sy Synèse R. |
|
| Dernière mise à jour : ( 05-03-2010 ) |
| < Précédent | Suivant > |
|---|




