fandraisana arrow ny vaovao arrow Avy eto an-toerana arrow HERISETRA MIANJADY AMIN’NY VEHIVAVY
HERISETRA MIANJADY AMIN’NY VEHIVAVY Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
02-03-2010

Ny atao hoe herisetra dia izay fihetsika na fiteny na koa fomba manohitohina ny zo aman-kasina maha-olona. Araka ny fanadihadiana dia mora iharan’ny herisetra ny vehivavy kely taona miditra ao an-tokatrano. Araka izany, ny vehivavy eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 19 taona dia manana taha avo 5 heny hiaran’ny herisetra noho ireo vehivavy ampy taona miditra ao an-tokatrano, torak’izany koa ireo vehivavy miaina ao anaty tokatrano araky ny fomban-drazana noho ireo manambady araly ny lalàna. Ny tsy fananan’ny vehivavy fidiram-bola ara-dalàna na trano ara-penitra dia mety hitarika any amin’ny herisetra.

Ireo endrika isehoann’y herisetra amin’ny vehivavy :

  • Herisetra ara-tsaina: fampihorohoroana, latsa, fandrahonana sy fihetsika fahasarota-piaro, fampirafesana,
  • Herisetra ara-batana: vono isan-karazana,
  • Herisetra ara-piaramonina sy ara-toekarena: tsy fananana zo handova, herisetra ataon’ny fiananakaviana sy ny fianakavian’ny vady, fanimbana ny fidiram-bolan’ny vehivavy,
  • Herisetra ara-politika: tsy fahazoan’ny vehivavy miteny sy miditra eo amin’ny sehatra manan-danja eo amin’ny fiainam-pirenena,
  • Herisetra ara-pananahana: araky ny antotan’isa tamin’ny 2007, 10%n’ny vehivavy no milaza fa nisy firaisana ara-nofo tsy nankasitrahana tamin’ny vadiny. Sarotra tokoa ny mihevitra tsy misy ny atao hoe fanolanana ao an-tokatrano ary adidy tsy maitsy tanterahina amin’ny vady ny firaisana ara-nofo.

Ny antony mahatonga ny herisetra:

Maro ireo toe-javatra mitarika sy mahatonga ny herisetra ao anatin’ny tokatrano, ary ohatra amin’izany ireto tanisaina ireto:

  • Ny tsy fitovizam-panabeazana eo amin’ny mpivady,
  • Ny tsy fitovizam-pinoana,
  • Ny tsy fanarahana ny fenitra fanambadiana eo anivon’ny fiarahamonina,
  • Ireo fomba amam-panao: ohatra eto Madagasikara dia hita taratra ao anatin’ny fomba amam-panao ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Ireo fomba fiteny: ny vehivavy fanaka malemy, ny tokatrano fihafiana, ….,
  • Miainga amin’ny rafitra fitaizana ny lehilahy hatramin’ny fahakeliny: rafitra fitaizana mametraka ny lehilahy ho fitaovana famoretana ny vehivavy, mpandidy sy mpanapaka hatrany.
Araky ny antontan’isa dia 65%n’ny vehivavy ao an-tokatrano no iharan’ny herisetra eto Antananarivo (tsy latsak’izany koa ny antontan’isa any amin’ny faritra hafa). Vehivavy iray amin’ny enina eo ho eo araka izany no ianjadian’ny herisetra ao an-tokatrano ka ny herisetra ara-tsaina no mahazo ny 45% amin’izy ireo. 35%n’ny vehivavy fotsiny kosa no tys iharan’ny herisetra ao an-tokatrano.

Ny tsingerin’ny herisetra:

Ny tsingerin’ny herisetra, araka izany anarany izany dia ny fiverenan’ny herisetra indray ao an-tokatrano. Misy ambaratonga vitsivitsy izay fiverenan’ny herisetra izay:

  • Disadisa sy ny lonilony eo amin’ny mpivady: izay miteraka tebiteby eo amin’ilay vehivavy ka mitarika tsy fanjariana amin’izay atao,
  • Ny fihetsika na fiteny feno herisetra ataon’ny lehilahy amin’ny vehivavy,
  • Ny fikasihan-tànana ataon’ny lehilahy,
  • Ny fitarainan’ny vehivavy: any amin’ny manam-pahefana,
  • Ny fandiovan-tenan’ny lehilahy: izay miseho amin’ny endrika fanilahana ny fahadisoana any amin’ny vehivavy. Raha manaiky ny fahdisoana ny vehivavy dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny tsingerin’ny herisetra satria isaky ny mihatra izany dia ho lazain’ny lehilahy hatrany fa ilay vehivavy no mahatonga ny herisetra.
Sarotra ho an’ny vehivavy no hiala amin’ny herisetra mianjady aminy ao an-tokatrano satria ny toe-tsain’ny lahy sy ny vavy mihitsy no mila miova. Misy koa ireo fomba amam-panao efa nilaozan’ny toetr’andro tokony hialana (ny tokatrano tsy ahaka, …). Sarotra ny mifehy ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ary mitombo hatrany izy io ankehitriny.

(Loharanom-baovao: Enda Océan Indien)

Dernière mise à jour : ( 02-03-2010 )
 
< Précédent   Suivant >