|
Parlemantera eropeana « Alde » - Mamorona sy mamafy lainga |
|
|
|
|
12-02-2010 |
|
Manoloana ny krizy miseho eto Madagasikara amin ’ izao fotoana izao, dia miditra an -tsehatra manao izay hampandamoaka ny Fitondrana tarihin - dRajoelina sy ny firosoana amin ’ ny fifidianana ny Vondrona parlemantera « Alde » na « Alliance des démocrates et des libéraux pour l ’ Europe ». Mandroso volavolan - kevitra hamahana ny krizy eo anatrehan’ ireo Parlemantera eropeana ity Vondrona ity amin ’ izany, ka fanapotehana an - dRajoelina amin ’ ny famafazana lainga miharo hevitra hampidirana an ’ i Madagasikara amin ’ ny ady an - trano no natolotr ’ izy ireo.
Misy volavolan - kevitra kasain’ ny Vondrona parlemantera eropeana « Alde » ( Alliance des démocrates et des libéraux pour l ’ Europe ) haroso mandritra ny fivorian’ ny Parlemantera eropeana any Bruxelles, amin’ ny talata ho avy izao izay mifono lainga sy fanaratsiana hanapotehana an- dRajoelina, izay tsy mifanaraka amin’ny zava-niseho teto Madagasikara nandritra izay vanim - potoana sarotra nolalovan ’ ny Firenena izay. Ny zavatra tena mamohehatra, dia katsahin’ izy ireo mihitsy ny hanapotehana an’ i Madagasikara amin’ ny fananganana milisy sy hisakanana ny fifidianana izay kasain’ ny Fitondrana tetezamita hidirana any amin’ ny Repoblika faha - 4. Fehinkevitra miisa valo mifono lainga sy famitahana an’ ireo Parlemantera eropeana no entiny handresen - dahatra ka hanohanany izany volavolan - kevitra hamahana ny krizy politika eto Madagasikara izany. Tahirin - kevitra laharana faha B7 - 0 - 2009 tamin’ ny 9 desambra 2009 lasa teo no mifono izany volavolan - kevitra hamahana ny krizy politika aroson’ ny Vondrona parlemantera « Alde » amin’ ny fivorian’ ny Parlematera eropeana amin’ ny talata ho avy izao izany. Tomponandraikitra ambony miasa amina foibena sampan -draharaha iray any Eropa no nahatsikaritra ity hevi - dratsin’ ity Vondrona parlemantera « Alde » ity. Anisan’ ny hanohanany an’ ilay volavolan - kevitr’ izy ireo ny hoe : « nisy ny fampihorohoroana ny depiote sy ny senatera, ny mpitondra fivavahana, ny fiarahamonim- pirenena, ny famakiana Fiangonana, ny fandrahonana mpanao gazety ary ny fisamborana mpanao politika kanefa tsy misy fiampangana akory ataon’ ny Fitondrana tarihin - dRajoelina ». Santionany ihany ireo satria araka ny voalaza etsy ambony, dia miisa valo izany lainga marivo tototra hiampangana ny Fitondrana tetezamita izany.
Miisa 15 ny soso - kevitra
Araka ilay volavolan - kevitra ihany, dia misy soso - kevitra 15 aroson’ izy ireo amin’ izany. Soso - kevitra izay misisika mafy amin’ ny fampiharana ny Satan’ ny Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba. Isan’ izany ny hoe : « fanamelohana ny fanaovana Ramatahora ny mpanao politika mpanohitra amin ’ ny alalan’ ny famonoana sy fampijaliana ». Zavatra tsy mbola niseho teto nandritra ny Fitondrana tetezamita no foronon’ izy ireo amin’ izany. Ankoatra ny Filoha Rajoelina, dia katsahin’ izy ireo ny hanapotehana an’ i Madagasikara satria amin’ ny soso - kevitra faha - 6 mirakitra izany, dia takian’ izy ireo ny fananganana milisy. Ny fisian’ ny Tafika malagasy dia hamaivaniny ary katsahin’ izy ireo ny hanapotehana izany ka mieritreritra hanangana Tafika vaovao amin’ ny alalan’ ilay milisy izy ireo. Izany hoe hampiditra Tafika vahiny eto Madagasikara aloha ry zareo hanatanterahany izany tanjona izany. Mbola santionany avokoa ireo satria mety hiafara amin’ ny ady an - trano mihitsy ity tetiky ny Vondrona parlemantera eropeana « Alde » ity. Loza mitatao ho an’ i Madagasikara ity volavolan - kevitra aroson’ izy ireo amin’ ny Parlemantera eropeana ity raha toa ka lany.
Loharanom-baovao: La Vérité ny 10 Février 2010, Tiana Rakoto |