ny vaovao
POLITIKA Fitarihana ny Vondrona Afrikanina Nodimbiasin’i Malawi i Lybia | POLITIKA Fitarihana ny Vondrona Afrikanina Nodimbiasin’i Malawi i Lybia |
|
|
|
| 02-02-2010 | |
Tsy mitarika ny Vondrona Afrikana intsony ny Kolonely Mouammar El Kadhafi, Filoha lybianina. Noraisin’ny Filohan’i Malawi, Bingu wa Mutharika ny toerana, nandritra ny fivoriana an-tampony faha-14 nisokatra omaly. Tsy mbola nisy resaka firy momba an’i Madagasikara. Talohan’ny hanombohan’ny fivorian’ireo filoha sy lehibem-panjakana tao amin’ny Vondrona Afrikana, tany Addis-Abeba, omaly, mbola nanamafy ny Kly Mouammar El Kadhafi fa vonona hatrany hitarika ny Vondrona. Nambarany tamin’izany fa tsy mila anaram-boninahitra hafa izy ary hanohy hatrany ny tolona ho an’ny Vondrona Afrikanina. Ny Filoha malaoita, Bingu wa Mutharika anefa no lanin’ireo nivory, hitondra indray mandritra ny herintaona. Ireo mpitondra avy aty atsinanan’i Afrika no tena maro an’isa tamin’ireo nandany tsy nisy fepetra azy. Nentaniny avy hatrany ireo namany mba hihoatra lavitra ireo fanapahan-kevitra sy ny fanambarana ny asa hatao. «Fotoana hampandrosoana an’i Afrika izao», hoy izy. Voaresaka kely ihany ny momba an’i Madagasikara, nandritra ny adihevitra, araka ny tatitra azo. Voakiana manokana amin’izany ny Kly Mouammar El Kadhafi. Voalaza fa anisan’ny nanimba ny endriky ny Vondrona Afrikanina ny fitantanany ny krizy teto Madagasikara sy tany Ginea, toy ny momba ny ady any Somalia sy Soudan. Mbola nanamafy anefa ity farany fa tokony hofoanana ny komitin’ny Lehibem-panjakana misahana ny fampiharana ny endri-piaraha-miombon’antoka vaovao (Nepad), izay misy an’i Madagasikara. Marihina fa ny haitaon’ny fampahalalam-baovao sy ny serasera aty Afrika no lohahevitra dinihina mandritra izao fivoriana faha-14 any Addis-Abeba izao. Loharanom-baovao:Gazety Taratra ny 01 Febroary 2010, nangonin’i Zoelson Randrianindrina |
|
| Dernière mise à jour : ( 02-02-2010 ) |
| < Précédent | Suivant > |
|---|




