fandraisana arrow ny vaovao arrow Tandindomin-doza i Marovoay, sompitra faharoa ara-bary eto Madagasikara
Tandindomin-doza i Marovoay, sompitra faharoa ara-bary eto Madagasikara Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
29-12-2009

Iaraha mahalala fa ao anatin’ny fahasahiranana ny tokatrano tsirairay ankehitriny ary tsy ahaleo ny mena miraviravy amin’izao fiainana anatin’ny fahantrana izao. Nefa amin’ny mahasompitra faharoa amin’ny vary an’i Marovoay dia manaitra ny tsirairay sy ny Fitondrana ny Antoko Maitso Hasin’I Madagasikara.

Manomboka kitikitihana ny fitrandrahana solika ao amin’ny faritry Andranofasika. Marihina fa tany fasika no mahaAndranofasika izany toerana izany ka ny fahapotehan’ny tontolo iainana vokatry ny mety ho fitrandrahana dia hiteraka :

  • Fikitihana ny ampahan’ny faritra arovana ao Ankarafantsika,
  • Fisian’ny tany fotaka an-tapitrisany metratra toratelo mivarina any amin’ny lemaky Marovoay raha tsy manaraka ireo fepetra voalaza ao antin’ny bokin’andraikitra (cahier de charge),
  • Fampiasana ny rano an’arivony metratra toratelo maro isan’andro izay raha tsy voadio aorinan’ny fampiasana azy dia hitera-doza,
  • Hatsanga manototra ny tanimbary sy ny lalan-drano ary mampiteraka tondradrano ao amin’ny faritry ny lemaky Marovoay,
  • Fisian’ny menaka maloto avy amin’ny fampiasana solika entina mitrandraka miparitaka eny anivon’ny tontolo iainana.

Koa manainga ny tompon’andraikitra, ny ministera, ny ONE, ny Fitondrana Mahefa ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara mba hampisy ny mangarahara momba ny bokin’andraikitra.

Mitaky ny Antoko Maitso:

  • Ny ahafahan’ny olona rehetra any an-toerana mahafantatra izay raketin’ny bokin’andraikitra vita dika teny Malagasy hatrany anivon’ny Fokotany mihintsy mba ialana amin’ny kolikoly, ny fanararaotana sy ny fanambakana ary ny savorivory ara-tsosialy.

Tsy tokony ho tompon-trano mihono amin’izay fampandrosoana sy fitrandrahana harena ambanin’ny tany ny Malagasy ary tsy tokony araraotina ny fahantrany sy ny tsy fahalalany ny sandan’ny harenan’ny taniny.

Ny fahalalan’ny fiarahamonina ny fifanarahan’ny mpitrandraka sy ny Fanjakana amin’ny fitrandrahana ny harena misy ao aminy no antoky ny firindrana maharitry ny fanatanterahana ny tetik’asa.

Mila fandinihana lalina sy iarahana amin’ny sehatra voakasik’izany ny politikan’ny fananantany sy ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto amintsika.

Ny Filoha Nasionaly
Saraha GEORGET RABEHARISOA
sy ny Birao Politika

Dernière mise à jour : ( 29-12-2009 )
 
< Précédent   Suivant >