fandraisana arrow ny vaovao arrow FAMBOLENKAZO NOTANTERAHIN' NY ANTOKO MAITSO HASIN'I MADAGASIKARA MANJAKANDRIANA
FAMBOLENKAZO NOTANTERAHIN' NY ANTOKO MAITSO HASIN'I MADAGASIKARA MANJAKANDRIANA Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
18-12-2009

Nanatanteraka fambolenkazo ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara Manjakandriana, ny asabotsy 12 desambra 2009 lasa teo tao amin'ny distrika Manjakandriana, izay natrehan'ny birao nasionaly, notarihin'ny Filoha nasionaly Ramatoa Saraha GEORGET RABEHARISOA.

Zana-kazo fihinamboho miisa 450 no nambolena, toy ny pibasy, manga, paiso, zavokà, voaroy, sns ... Tao amin'ny toeram-pambolen'ny Jenia miaramila tao Betambatra, ny CEG Manjakandriana, tao amin'ny tokontanin'ny Distrika Manjakandriana, ny Centre hospitalier de District Manjakandriana, ny Centre de service agricole Manjakandriana, ny Kolejy katolika Manjakandriana, ireo no toerana nanaovana ny fambolenkazo izay narahina fandefasana horontsary nentina nanentanana ny mpianatra, ny tanora, ny olon-dehibe mikasika ny tetik'asa fampandrosoana ny tontolo iainana. Efa voapetraka avokoa ny rafitra fanaraha-maso ny fitombon'ireo hazo fihinamboho ireo. Ary samy mandray ny andraikitra tandrify azy avy ny miaramila, ny mpianatra, ny mpiasa ao amin'ny distrika, ny mpiasa ao amin'ny hopitaly... sy ny Maitso any an-toerana.

Nofidiana manokana ny fambolena hazo fihinamboho noho izy ireny manampy amin'ny fiarovana ny nofontany, manampy amin'ny ady atao amin'ny tsy fahampiantsakafo, manampy amin'ny ady atao amin'ny fiakaran'ny maripanan'ny tany. Ity hetsika ity koa no natao dia ho fandraisana andraikitra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy amin'ny fampandrosoana mirindra sy maharitra. Nisy ny sakafo mitam-pihavanana, fotoana niarahan'ny Antoko Hasin'i Madagasikara Manjakandriana, ny Birao nasionaly ary ny mponina niara-nikorana. Nandritra izany no nandrisihana ny mponina hanohy hatrany ny fambolenkazo fihinamboho ao amin'ny distrika Manjakandriana. Tarigetran'ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara hatrany moa ny hanentana ny mpiara-monina hanana fiarinkarena maharitra avy amin'ny fandrindrana ny tontolo iainana eo aminy.

Ny Filoha Nasionaly

Dernière mise à jour : ( 18-12-2009 )
 
< Précédent   Suivant >