fandraisana arrow Ny antoko arrow foto-kevitra ijoroana
FOTO-KEVITRA IJOROAN'NY ANTOKO Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
07-10-2009

FOTO-KEVITRA IJOROAN'NY ANTOKO

Ny tanjona lehibe indrindra hisian'ny Antoko Hasin'i Madagasikara dia ny fivelaran'ny Malagasy eo amin'ny taniny. Mba hahatongavana amin'izany tanjona izany dia mametraka ireto:

  •  Mametraka ny Malagasy tsirairay ho eo anivon'ny adihevitra ara-politika, mba ho mpandray Anjara feno, ho Fototra iaingana ary mba hahazo Tombontsoa tanteraka amin'izay fampandrosoana rehetra eo amin'ny taniny ;
  •  Manindraindra fampandrosoana mitandro ny tombotsoan'ny Malagasy sy manaja tanteraka ny Tontolo Iainana ; 
  •  Mametraka ho lohalaharana ny Kolon-tsaina, fahendrena sy ny Harena Malagasy ;
  •  Mampiroborobo ny Fampandrosoana maharitra ;
  •  Miaro ny vitsy an'isa sy ny fahasamihafana ;
  •  Manohana ny Fitovian-jo eo anatrehan'ny Lalàna velona;
  •  Mitandro ny Fitaizana ny maha olona ;
  •  Mampiroborobo ny Demôkrasia andraisan’ny daholobe anjara ;
  •  Manaparitaka ny fanabeazana maha-olompirenena
  •  Mitsipaka avy hatrany ny fampiasana ny hery nokleary ataon'ny hery miaramila sy ny fanariana loto nukleary manimba ny tontolo iainana eto amin'ny tany sy ny ranomasina manodidina an'i Madagasikara.

Politika an-tsitra-po sy mikajy ny Zavaboary an'ny Malagasy sy manome lanja ny Tany, Rano ary ny Tontolo iainana no tena fototry ny Fampandrosoana maharitra ho an'ny Firenena.