fandraisana arrow Hetsika
Hetsika
Tournoi Vert - Foot à 7 - Firaisana I Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
13-07-2010

Manasa antsika ekipa na club isam-pokontany eto amin’ny Firaisana I handray anjara amin’ny Tournoi de Foot à 7, karakarain’ny Maitso. Hanomboka ny 31 Jolay 2010 ho avy izao, hoan’ny « catégories » rehetra na lahy na vavy.

Fanazavana fanampiny:
033 17 352 53
033 14 986 96

Dernière mise à jour : ( 13-07-2010 )
 
Tournoi Vert Foot à 7 IVANJA Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
08-07-2010

Dernière mise à jour : ( 09-07-2010 )
 
Ny Mahasoa aloha vao ny mahafinaritra Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
24-06-2010

« Ny Mahasoa aloha vao ny mahafinaritra », io no lohahevitra lehibe ho entin’ny antoko maitso « Hasin’i Madagasikara » miatrika ny fety fankalazana ny faha 50 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Hetsika maro ary no entina mankalaza izany manerana ny faritra 22. Ny alarobia 23 jiona dia nisy ny fanaovana didi-poitra faobe ho an’ireo fianakaviana sahirana natao teny amin’ny Kaominina Ambohibao Antehiroka, ka zazalahy kely miisa 100 no noforaina tamin’izany. Ankoatr’izany dia nozarain-dramatoa Saraha Georget Rabeharisoa, filoha nasionalin’ny antoko kilalao ihany koa ireto ankizy ireto. Didim-poitra natao tamin’ny fomba manara-penitra moa ity nataon’ny antoko maitso « Hasin’i Madagasikara » ity, ka mpitsabo avy amin’ny hopitaly miaramila eny Soavinandrina no nanao ny fandidina.

Fa ao anatin’ny tarigetran’ny antoko maitso ihany koa ny fifampizarana sy ny fifampitsinjovana amin’ny samy mpiara-belona. Mandritra ny volana jiona, izay volana natokana ho an’ny ankizy ary, dia misy ny fizarana katsaka ho an’ireo mpianatra eny amin’ny EPP Ambohitsoa-Mahazoarivo isaky ny alarobia ataon’ny antoko na ilay antsoina hoe « vilany be maitso ». Fizarana katsaka ho an’ireo mpianatra mba ho tohan’aina ho azy ireo, ahafahany mianatra tsara, araka ilay fitenenana Malagasy manao hoe « Kibo voky no ananana saina matsilo ». Fanombohana ihany ireo hetsika ireo fa mbola hitohy ny asa soa ho ataon’ny antoko.

Rahampitso dia ho any amin’ny Kaominina Soalandy ny antoko maitso « Hasin’i Madagasikara », hizara arendrina sy vatomamy ho an’ireo ankizy any an-toerana. Hisy ihany koa ny fiaraha-misakafo ho ataon’ny antoko miaraka amin’ireo vahoaka any an-toerana hisy ny omby vonina amin’izany mba ho nofon-kena mitam-pihavanana amin’izao fety izao. Hotokanana rahampitso ihany koa ny trano famakiam-boky any an-toerana avy amin’ny antoko. Nahazo tafo sy simenitra koa ny biraom-pokontany ao Beravina.

Dernière mise à jour : ( 24-06-2010 )
 
Hasin'i Madagasikara: Fankalazana ny andron'ny 29 Martsa 1947 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
30-03-2010

Varotra fampirantiana sary hosodoko sy sary sikotra, mitondra ny lohahevitra hoe “Green Art” no hetsika nentin’ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara nanamarihana ny andron’ny 29 martsa tamin’ity taona 2010 ity. Tao amin’ny foiben’ny Antoko ao Mamory Ivato ny hetsika, izay nnetina nampahafantarana ny sangan’asan’ireo mpanakanto mivondrona ao amin’ny vaomiera koltoralin’ny Antoko Maitso izay antsoina hoe “mpanakanto maitso”. Telo andro no faharetan’ny fampirantina (ny 29 ka hatramin’ny 31 martsa), hita ao avokoa ny karazana asa tànana toy ny sary hosodoko, ny sary sokitra... Mpanakanto miisa 12 eo no nandray anjara tamin’izany toan-dry Hemerson Andrianetrazafy, Maa&Xii, Rajaona, Léon Fulgence...
Tamin’ny lahateny nataony dia nanamarika ny filoha nasionalin’ny Antoko Maitso Saraha GEORGET RABEHARISOA, fa anjara biriky entin’ny antoko ho fameloman’aina ny tolona telo ambiny enimpolo taona lasa ity fampisehoana ity izay hanehoan’ireo mpanakanto mpanao hosodoko sy sokitra ny lanjan’ny zava-kanto Malagasy ary endrika iray anehoana ny fitiava-tanindrazana ny fandalàna ny kantony. Nampatsiahiviny ihany koa fa tsy nisy ny fahaleovantena raha tsy nisy ny fahafahana. Niady ary nitaky izany ireo Malagasy maro tamin’izany fotoana izany ary lavo ho an’ny fahafahana. Rariny hoy izy raha mahatsiaro ireo Malagasy mpitolona tamin’izany, toy ny Menalamba , VVS, M.D.R.M., sy ny maro hafa. Namafisiny koa ny maha zava-dehibe ireny tolona nataon’ireo mahery fo ireny satria naneho tokoa ny fitiavan-tanindrazana ka tsy tokony ho atao ambanin-javatra ary mba tsy ho very maina ny rà latsaka ho fanafahan’ny Nosintsika. Tsy tokony apetraka ho tantara ihany koa hoy izy ny andron’ny 29 martsa 1947 fa hiainantsika isan’andro. Noarahabaina manokana ihany koa ireo bekotro maro holatra mbola miriaria ankehitriny.

“Ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara koa dia mitolona ho an’ny Fanajana ny Aina, ny Fiarovana ny Rano, ny Fanaovana ho laharam-pahamehana ny fananan’ny Malagasy Tany, hamelana Tontolo Iainana Maitso holovain’ireo taranaka fara mandimby fa tsy hisy fampandrosoa mirindra sy maharitra raha tsy mametraka ny Malagasy ho ivon’ny Tontolo iainana Maitso satria Zoantsika Malagasy ny ho sambatra eto amin’ny Tanintsika. Ka hoy izahay hoe sikino ny hery, lanjao ny angady, raison y ampinga, mijoroà ho tena Maitso” araky ny nambaran’ny Filoha nasionaly hatrany.
Ankoatran’ny teny Ivato dia nisy ny fanomezana sakafo maraina ho an’ireo akanga sisa nanamborana tamin’ny tolona sy ny fanaterana fehezam-boninkazo teny amin’ny fasan’ireo mahery fo nataon’ny solotenan’ny antoko maitso “Hasin’I Madagasikara”, tany Moramanga. Tonga nanome voninahitra ny hetsika natao teny Ivato moa ny Ben’ny tanànan’Ivato aéroport, ny solotenan’ny masoivoho Lybianina miasa sy monina eto Madagasikara, ary ireo olo mana-kaja maro.

Dernière mise à jour : ( 02-04-2010 )
 
08 Mars 2010 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
12-03-2010
Toy ny vehivavy maro maneran-tany dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, ireo mpikambana vehivavy ao anatin’ny antoko maitso “Hasin’i Madagasikara”. Hetsika telo sosona no nentina nanamarihana izany tamin’io andron’ny 8 mars io .

Teo aloha ny fanomezan-drà maimaim-poana natao tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha nanomboka tamin’ny 8 ora maraina. Vehivavy mpikambana ao amon’ny antoko manodidina ny 50 teo no nandray anjara tamin’izany, notarihin’ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso Saraha GEORGET RABEHARISOA. Ity hetsika ity moa dia anjara biriky nentin’ny antoko hanomezan-dra hitsinjovana sy hiarovana ny aina”, araka ny teny filamatry ny antoko. Nitohy tamin’ny famelabelarana narahina ady hevitra momba ny zon’ny vehivavy sy ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny hetsika tao amin’ny trano foiben’ny antoko eny Mamory Ivato. Lohahevitra 7 no nodinihina nandritra izany : ny fanambadiana, ny fifehezam-pananan’ny mpivady, ny fahatapahan’ny fanambadiana, ny fandovana, ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona, ny fananganana lalàna, ary ny fianahana. Tany Manandriana sy Talata Volonondry, faritra Avaradrano no namaranana ny fankalazana. Nisy ny fambolen-kazo sy fitokanana ny birao politikan’ny maitso tany amin’ireo faritra ireo, narahina lavantim-bokatra, izay nafanain’ny mpanakanto tany an-toerana. Ankoatr’izay dia nifandimby nandray fitenenana ireo “coach” any amin’ireo faritra ireo. Tamin’ny lahateny nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko kosa no nanentanany ny mponin’Avaradrano mba hirotsaka ao amin’ny antoko maitso.

Dernière mise à jour : ( 12-03-2010 )
 
Hasin'i Madagasikara ao Miarinarivo Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
15-02-2010

Nanao hetsika fambolen-kazo ny Antoko Maitso tany Miarinarivo ny 10 Febroary 2010 lasa teo izay natrehan'ny Filoha Nasionaly Saraha Georget Rabeharisoa. Tao amin'ny EPP sy Lycee Ampaisokely-Miarinarivo no nanaovana izany,izay fotoana iray nifampiarahabana nohon'ny fahatongavan'ny taona vaovao.Nisy ihany koa ny fitokanana ny birao'ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara tany an-toerana ary koa ny birao Tanora Maitso sy Vehivavy Maitso.

Ny tapany hariva dia nahitana fiaraha-misakafo nifanaovan'ny birao foibe sy ny mpikambana rehetra tao Miarinarivo, fiaraha-misakafo izay nomena anarana hoe "Vilany be Maitso" hanamafisana fa fianakaviana iray ny maitso rehetra manerana an'i Madagasikara. Ny Filohan'ny antoko ao amin'ny ditrikan'i Miarinarivo moa dia Atoa Velotia Florent izay tohanan'ny coach Tony Wilson. Tsara ihany koa no manamarika fa ny Filoha Nasionalin'ny antoko dia tsy mitsahatra manentana ny vehivavy Malagasy any amin'ny toerana rehetra izay alehany; noho izany indrindra dia hanome ra ho ampiasain'ny Hopitaly ny vehivavy maitso ny 08 Martsa ho avy izao, hankalazana ny andron'ny vehivavy."Mitondra aina, mizara aina ary miaro ny aina" isika hoy ihany ny Filoha Saraha Georget Rabeharisoa.

Dernière mise à jour : ( 19-02-2010 )
 
Ny Antoko Maitso tany Toamasina Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
14-02-2010

Tamin’ny fandalovan’ny birao nasionalin’ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara tany Toamasina ny 05 Febroary 2010 lasa teo izay notarihin’ny filohan’ny antoko Saraha Georget Rabeharisoa, dia nankasitraka tanteraka ireo mpikambana ao amin’ny birao an’I Toamasina I sy Toamasina II izy ary koa ireo avy ao amin’ny commune Urbaine tao amin’ny hotel Capricorne. Atoa Tsizaraina Emile moa no filohim-boninahitrin’ ny antoko any amin’iny faritra iny. Ramatoa filoha nasionaly dia nanindry mafy fa ny fampandrosoana maharitra dia tsy vita raha tsy amin’ny alalan’ny fitantanana mirindra ny tontolo iainana, ny Rano, ny Tany, mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy ary manaja ny aina.

Ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara koa dia nanolotra fitaovana ilaina amin’ny vonjy maika sy “matériels orthopédiques” ho an’ny mpamonjy vonjy taitra na “sapeurs pompiers” ho an’ny renivohitra ekônomikan’i Madagasikara. Ny fanentanana natao tamin’ny mpianatra tao amin’ireo EPP an’i Toamasina dia narahina fambolen-kazo fihinam-boa miisa aman-jatony izay ireo tanora maintso ireo ihany no hanaramaso izany. Arak’izany dia fifanarahana maro koa no nifanaovana tamin’ireo tanora avy amini’ny Lycée sy sekoly maro hatrany Fénérive-Est.

Ny sampan’ny antoko maitso tao Soanierana Ivongo kosa dia nanantontosa fambolen-kazo tao an-toerana ihany. Ny sampana tao Vavatenina koa dia nanao torak’izany niampy asa fampidiran-drano .

Dernière mise à jour : ( 19-02-2010 )
 
Antoko Maitso Antsirabe Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
02-02-2010

Nisy ny fametrahana ny vato fehizoro voalohany tao amin’ny SEHATRA MAITSO natao tao amin’ny Fotkontany ambohimanarivo Antsirabe I ny sabotsy 30 janoary 2010 lasa teo. Ity sehatra Maitso ity dia natolotry ny foiben’ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ho an’ny kaomina antsirabe I sy ny manodidina. Mirefy 4ha eo ho eo izy ity, izay ho asiana toerana fanaovana fanatanjahantena sy zaridaina hambolena karazana hazo fihinamboho maro (hanaovana fanabeazana ara-tontolo iainana). Nandritra izany fotoana izany koa no nitsofan’ny Birao Foibe rano, izay notarihin’ny Filoha Nasionaly Ramatoa Saraha GEORGET RABEHARISOA, ny sampana Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara Antsirabe; namelabelarany ny fotokevi-dehiben’ny Antoko Maitso izay mametraka ny olombelona ivon’ny Fampandrosoana manaja ny tontolo iainana, ny fiarovana ny rano ary ny fametrahana rafitra ahafahan’ny Malagasy tsirairay mahazo tany sy ny zony mifandraika amin’izany. Ny sampana Antsirabe moa dia tarihin’Andriamatoa Andrianarivelo René Olivier mivady.

Dernière mise à jour : ( 02-02-2010 )
 
27 janoary 2010 kaominin'ny Fihaonana Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
28-01-2010

Nivarotra zana-kazo (paiso, paoma, poara, voaroy, savoka,manga, fraise, ravintsara, voatabia hazo, pibasy, kôtsy...) tao amin'ny kaominin'ny Fihaonana ( tao amin'ny tsena) tamin'ny vidiny mirary hanaovana tahirim-bola ho an'ny birao ao an-toerana ny Antoko Hasin'ny madagasikara.
Mangetaheta zana-kazo ny faritra Ankazobe sy Vongozo, kaominin'ny Mahavelona, Ampangabe aty amin'ny distrikan'ny Ambohidratrimo.
Hitarina any amin'ny faritry Vongozo izao hetsika izao satria hita fa tena mifofotra tokoa amin'ny fampadrosoana ifotony ny aty ambanivohitra.

Dernière mise à jour : ( 28-01-2010 )
 
20 janoary 2010 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
28-01-2010

Nizara Ciment 6 kitapo tamin'ny fokontany 3:

  • andriatsibibihanivony
  • Madiolovola
  • Sambatra

nanatsarana ny fatsakana azoana rano fisotro madio izay feno fotaka sy lomotra amin'ny fotoam-pahavaratra.
Mbola hitihy ny asa satria raha misy fokontany 18 ao amin'ny kaominin'ny Fihaonana dia fokontany 3 ihany no manana ranofisotro madio ary tonga anay antrano ny ranon'ny paompy fa ny sisa misotro rano amin'ny dobo.
Fihaonana dia 18 kl miala an' Antananarivo raha ho any Mahajanga.

Dernière mise à jour : ( 28-01-2010 )