|
Fomba fijerin’ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara manoloana ny fivoahana amin’ny krizy politika eto Madagasikara
Tonga teto Madagasikara ny delegasiona mpanelanelana iraisam-pirenena, hanao tomban’ezaka ny fivoaran’ny toe-draharaha politika sy ny zava-misy eto amintsika, araka ny iraka nampanaovin’ny filoha Joachim Chissano azy ireo ho fanomanana ny tatitra hatolotra eo anivon’ny Fihaonamben’ny Vondrona Afrikanina izay hatao any Ouganda sy any Namibie.
Efa nanomboka niroso amin’ny samy Malagasy ny famahana ny krizy politika eto amin’ny firenena.
Niroso tamin’ny fametrahana ny governemanta iarahan’ny sivily sy ny miaramila mitantana ny fitondrana.
Nanambara ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita fa tsy hilatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izao.
Nanome andraikitra ny fiaraha-monim-pirenena amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena, miaraka amin’ny fanohanana ara-kevitra ireo ray aman-dreny mijoro.
Ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara dia manohana ny fitadiavam-bahaolana eo amin’ny samy Malagasy, ary manamafy fa ilaina ny fankatoavan’ny Vondrona iraisam-pirenena izany.
Miha-sarotra ny toe-draharaha politika ankehitriny. Ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara dia mandroso hevitra fa fankatoavantsika Malagasy ny vahaolana dia tsara raha ahazoana ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, mba ho tombotsoan’ny vahoaka Malagasy izay mijaly noho ny krizy.
Ny fitadiavam-bahaolana eo amin’ny Malagasy samy Malagasy dia tokony hiainga amin’ny fitoviam-pijerin’ireo fironana samihafa eo anivon’ny fiaraha-monim-pirenena.
Ho famahan ny olana, ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara dia miantso mba hivondrona ny fiaraha-monim-pirenena
Mikasika ny fikarakarana ilay fikaonandoham-pirenena, ny Antoko maitso Hasin’i Madagasikara dia manainga ny hisokafan’izany ho an’ireo Antoko politika Malagasy rehetra tsy ankanavaka.
Ny fikarakarana ny fikaonan-doham-pirenena miainga avy any ifotony no heverin’ny Antoko maitso fa tena hisian’ny fisokafana eo amin’ny dinika nasionaly.
Na izany aza, mba hisorohana ny fitadiavan-toerana sy ny fanararaotana ataon’ireo mpanao politika, ny Antoko Maitso dia manainga ny vondrona iraisam-pirenena mba hamatsy vola ireo hetsika rehetra hatao hivoahana amin’ny krizy.
Tafiditra ao anatin’izany avokoa hatramin’ny vola hikarakarana ireo fifidianana rehetra hotanterahina, mba hialana amin’ny fanodikodinana mety hitranga.
Farany, hamafisinay fa ny hany vahaolana hivoahana amin’ny krizy politika misy ankehitriny sy hisorohana ny ho avy dia ny firosoana amin’ny fifidianana mangarahara sy anjakan’ny demokrasia ao anaty filaminana.
Ho an’ny Birao Politika
SARAHA GEORGET RABEHARISOA
Filoha Nasionalin’ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara
|