|
Dinika politika teny Ivato 1 jona 2011 ny fifidianana Filoham-pirenena |
|
|
|
|
12-08-2010 |
|
Hatao alohan’ny fifidianana Filoham-pirenena ny an’ny depiote. Izay no anisan’ny tapaka nandritra ny andro faharoan’ny Dinika politika teny Ivato, omaly. Na nifandirana aza, 13 avrily 2011 ny fifidianana depiote, 1 jona 2011 ny fihodinana voalohany ifidianana Filoham-pirenena. Hifantoka amin’ny rijan-teny amin’ny fifanarahana politika anio, mialoha ny fanaovan-tsonia.
Araka ny fampitam-baovao farany, nalefan’ny Komitin’ny fanoratana ny vokatry ny Dinika politika eny amin’ny CCI Ivato, Randriamampionontsoa Lantonirina, sekretera nasionaly lefitry ny antoko Psdum, « nahita marimaritra iraisana momba ny fifidianana hatao sy ny daty hanatanterahana izany ny mpivory, (…) taorian’ny adihevitra naharitra ». « Tapaka fa hotontosaina ny 13 avrily 2011 ny fifidianana solombavambahoaka. Ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika dia hotanterahina ny 1 jona 2011, ny fihodinana faharoa kosa dia hampifanarahina amin’izay voalazan’ny lalàna manan-kery ».
Raha ny voalazan’ireo mpivory sasany taminay, halina, mbola tolo-kevitra ihany ireo fa anio, vao hotapahina ny daty raikitra. Ny antony, mbola maro ireo antoko sy fikambanana tsy nanao sonia. Nisy ny nilaza sy nanondro andro hafa. Hatreto, tsy mazava izay tena hevitra neken’ny mpivory. Ny azo antoka ho niraisan’ny rehetra, ny fifidianana depiote no hatao aorian’ny fijoroan’ny Lalàmpanorenana vaovao. Aorian’izay, vao hatao ny fifidianana Filoham-pirenena na ho inona ho rafi-pitantanam-panjakana ao anaty Lalàmpanorenana vaovao eo. Tsy hatao fitaovana ho tohatra fiakarana ho depiote intsony ny antokon’izay ho Filoham-pirenena.
Tetezamita iraisana ihany ?
Manomboka mirona mankamin’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita ve ny mpanao politika ? Hifantoka amin’izay lalana izay rahateo ny fanomanana sy ho fandrafetana ilay Fifanarahana politika hosoniavina anio hariva. Amin’ny ankapobeny, hiady hevitra amin’ny rijan-teny hosoniavina ireo mpanao politika, ny amin’izay fomba hitantanana ny fitondrana tetezamita. Na tsy nankasitraka ny endrika tetezamita vaovao aza ireo mpanao politika sasany toy ny avy amin’ny Udr, manohana ny tetezamita misy ankehitriny, toa be no ho vitsy mitaha amin’ireo ao amin’ny Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika. Ny andrasan’ny rehetra, hiala haingana amin’ny krizy sy/na tetezamita.
Loaharanom-baovao:Zoelson Randrianindrina Gazety Taratra 12/08/2010
|
|
Dernière mise à jour : ( 12-08-2010 )
|
|
Ny Mahasoa aloha vao ny mahafinaritra |
|
|
|
|
24-06-2010 |
|
« Ny Mahasoa aloha vao ny mahafinaritra », io no lohahevitra lehibe ho entin’ny antoko maitso « Hasin’i Madagasikara » miatrika ny fety fankalazana ny faha 50 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Hetsika maro ary no entina mankalaza izany manerana ny faritra 22. Ny alarobia 23 jiona dia nisy ny fanaovana didi-poitra faobe ho an’ireo fianakaviana sahirana natao teny amin’ny Kaominina Ambohibao Antehiroka, ka zazalahy kely miisa 100 no noforaina tamin’izany. Ankoatr’izany dia nozarain-dramatoa Saraha Georget Rabeharisoa, filoha nasionalin’ny antoko kilalao ihany koa ireto ankizy ireto. Didim-poitra natao tamin’ny fomba manara-penitra moa ity nataon’ny antoko maitso « Hasin’i Madagasikara » ity, ka mpitsabo avy amin’ny hopitaly miaramila eny Soavinandrina no nanao ny fandidina.
Fa ao anatin’ny tarigetran’ny antoko maitso ihany koa ny fifampizarana sy ny fifampitsinjovana amin’ny samy mpiara-belona. Mandritra ny volana jiona, izay volana natokana ho an’ny ankizy ary, dia misy ny fizarana katsaka ho an’ireo mpianatra eny amin’ny EPP Ambohitsoa-Mahazoarivo isaky ny alarobia ataon’ny antoko na ilay antsoina hoe « vilany be maitso ». Fizarana katsaka ho an’ireo mpianatra mba ho tohan’aina ho azy ireo, ahafahany mianatra tsara, araka ilay fitenenana Malagasy manao hoe « Kibo voky no ananana saina matsilo ». Fanombohana ihany ireo hetsika ireo fa mbola hitohy ny asa soa ho ataon’ny antoko.
Rahampitso dia ho any amin’ny Kaominina Soalandy ny antoko maitso « Hasin’i Madagasikara », hizara arendrina sy vatomamy ho an’ireo ankizy any an-toerana. Hisy ihany koa ny fiaraha-misakafo ho ataon’ny antoko miaraka amin’ireo vahoaka any an-toerana hisy ny omby vonina amin’izany mba ho nofon-kena mitam-pihavanana amin’izao fety izao. Hotokanana rahampitso ihany koa ny trano famakiam-boky any an-toerana avy amin’ny antoko. Nahazo tafo sy simenitra koa ny biraom-pokontany ao Beravina.
|
|
Dernière mise à jour : ( 24-06-2010 )
|
|
23-06-2010 |
|
Ny alarobia maraina lasa teo dia nanatontosa didim-poitra faobe tao amin’ny Kaominina Ambohibao Antehiroka ny Antoko Maitso Hasin’ I Madagasikara ka nandraisan’ny fokontany rehetra anjara tao an-toerana. Ny didim-poitra natao tamin’ny fomba Amerikana na ilay antsoina hoe “circoncision à l’américaine” no nampiharina tamin’ireo zazalahy kely miisa dimampolo. Ny ONG Felana ao amin’ny fokontanin’I Morondava Ambohibao no nampiantrano ny hetsika ary ny Antoko Maitso Hasin’ I Madagasikara no nanohana ara-bola sy ara-pitaovana.
Nozarain’ny filohan’ny Antoko Maitso Hasin’I Madagasikara Saraha Georget Rabeharisoa kilalao sy vatomamy ny ankizy vita didim-poitra. Marihina fa maimaim-poana ny hetsika. Ankoatra an’ity famorana ity dia nanatanteraka asa sosialy hafa ny Antoko Maitso, toy ny fizarana katsaka ho an’ ny ankizy mpianatra miisa 800 ao amin’ny EPP Ambohitsoa. Isaky ny Alarobia hariva no misy izany fizarana sakafo izany ary hotanterahina mandritra ity volana jona ity izany. Nilaza teto ny filohan’ny Antoko Maitso fa ny fijerena ny lafiny mahaolona sy fametrahana hatrany ny maha ambony ny aina no tanjona amin’izany.
|
|
Dernière mise à jour : ( 23-06-2010 )
|
|
Basket-«Grand Tournoi Vert». Lavon'ny Zandarimaria ny Bcs |
|
|
|
|
11-05-2010 |
|
Tamin'ny isa 83 no ho 61 no nandavoan'ny Zandarimaria ny Bcs, teo amin'ny « senior homme », nandritra ny andro voalohany nanaovana ny « Grand Tournoi Vert », teny amin'ny kianjan'i Ste Famille Mahamasina.
Fihaonana tokana no tanteraka, teo amin'ny sokajy vaventy lehilahy, satria nifanotona tamin'ny lalao nokarakarain'ny Agape sy ny tompondakan'Analamanga, izay nahitana an'ireo ekipa tokony hifaninana amin'ny G.T.V. Niady ny baolina teo amin'ny sokajy latsaky ny 18 taona lehilahy, ka tany amin'ny minitra farany tsy hiravan'ny lalao vao lavon'ny Challenger tamin'ny 69 no ho 52 ny ekipan'ny C. Ambodin'Isotry, izay nandrenesana teny tsy voahevitra tamin'ny mpijery baolina sasany. Ankoatra an'izany, dia nizotra tsy misy tomika ny lalao rehetra. Toy izao ny voka-dalao : « U-18G » / Bcr (76) # Bcs (68) ; Ast (89) # Bbcm (75) – Soe (81) # Cosfa (43) ; « U-12 G » / Bcr (20) # Soe 1 (18) – Soe 1 (40) # Bcr (01) – Soe 2 (19) # Cosfa (16) ; « U-10 » / Soe 2 (36) # Cosfa (03); « U-20 F » / Fan (96) # Abb (49) ; « U-22 F » / Maitso Sab Nam (68) # Aca (23) ; « Firaisana » / Bcr Ambohimanarina (69) # Ouest Ambohijanahary (55) – Firaisana Shooting Star I (70) # Anosisoa (59).
a.r (Gazetiko)
|
|
Dernière mise à jour : ( 11-05-2010 )
|
|
Lasa mpitarika aty Afrika ny Antoko Hasin’i Madagasikara |
|
|
|
|
20-04-2010 |
|
Ho tafaverina eto an-tanidrazana amin’ny alakamisy izao ny delegasionan’ny antoko Hasin’i Madagasikara tarihin-dramatoa Rabeharisoa Georget Saraha, izay vao avy namonjy ny kaongresin’ny antoko Maitso aty Afrika tany Kampala, renivohitr’i Ouganda. Vao tonga izy dia voalaza fa hifampidinika amin’ny mpanao gazety . Mbola hisy koa dinika ambany tafontrano hotarihiny ny zoma 23 aprily 2010, eny amin’ny foiben-toerana eny Ivato handinihina ny lohahevitra hoe : « Hisy fiantraikany amin’ny fiainanao ve ny fahafongaran’ny tantely », araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tompon’andraikitra ny serasera ao amin’ny Antoko Hasin’i Madagasikara.
Voalohany teo amin’ny tantara no nisy antoko Maitso eto Madagasikara: ny Antoko Hasin’i Madagasikara, izay vao haingana ihany no nijoro. Antoko izay nanao ho zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ekôlojia. Voalohany koa teo amin’ny tantara, no ny mpitarika io antoko io, ramatoa Rabeharisoa Georget Saraha no voafidin’ireo namany ao afrika ho filoha lefitry ny federasionan’ny antoko Maitso aty Afrika. Mbola voalohany teo amin’ny tantara koa ny mpitarika ity antoko ity no voafidin’ireo antoko namany aty amin’ny oseanina Indianina ho filoha.
Nivoaka tamin’ny kaongresy niarahan’ireo antoko Maitso eto Afrika, natao tany Kampala, nanomboka ny 16 aprily 2010 teo ireo. Voninahitra an-tsobika, tsy atao ampatam-bary, mba ho azon’ny Malagasy hireharehana izany. Mampiseho fa manana tetikasa sy tetik’ady manana ny maha izy azy io antoko vaovao nefa manana ny lanjany sahady manerana an’i Afrika sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina io.
B.A / Ao raha Talata 20 aprily 2010
|
|
Dernière mise à jour : ( 20-04-2010 )
|
|